MOFONAINA 19 NOVAMBRA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 19 พ.ย. 2024

ความคิดเห็น • 4

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
    @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb  17 ชั่วโมงที่ผ่านมา

    FANDAHARANA :
    Fiantsoana sy Fiderana
    Sal 119:97-104
    Hira 9 (Ry Tompo zanaharinay)
    Vavaka
    Hira 177/2,4 (Ry Fanahy Mpanazava…)
    Soratra Masina : I Tim 4:11-16
    761/1 (Ry Jesoa zoky be fitia…)
    Fiaraha-Mandinika Soratra Masiba
    Vavaka
    Hira 427/1(Ho vavolombelonao…)
    Tsodrano

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
    @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb  17 ชั่วโมงที่ผ่านมา

    FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA
    1 Tim 4:11-16
    1-NY BOKY
    11-Fandraisan’anjaran’ny tsirairairay :
    12-Fanampiny
    13-Drafitry ny boky
    2-FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA
    3-IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY @ TEKSTA
    31-Manomeza toromarika mazava sy matotra ary aza mitsahatra mampianatra na dia misy aza ny manohitra :Ahoana no fomba entintsika mampianatra na manome toromarika ny hafa eo amin’ny fiainantsika.(11)
    Ampianaro « didaske » : mampianatra mazava sy amin’ny faharetana.
    32-Tsy taona no mamaritra ny maha-kristiana matotra fa ny fa ny fomba fiaina sy ny toetra.Jereo fa ny jiro na dia kely aza dia mahavita manazava efitrano manontolo :Manao ahoana ny fijoroanao ho ohatra amin’ny finoana sy ny fitiavana ,ny fahamasinana ary ny fahadiovam-po na ny teny lazaina(12)
    Fianarana « tupos » : Modely harahina,Ohatra mazava
    Fiteny « logoi » : teny sy ny hevitra fonosiny
    Fitiavana « agape » : Miorina amin’ny fanoloran-tena ho an’ny hafa
    Manao tsinontsinona « kataphroneito » :Manao tsinontsinona na manambanimbany .
    33-Ny famakiana sy fianarana ny Soratra Masina no loharanon’ny fitomboana ara-panahy :Mba tsy ho mpamaky fotsiny intsony isika fa handinika sy hianatra :Hafirina amin’ny 24 ora no atokanao handinihana ny Soratra Masina.(13).
    Tandremo « proseke » : Ataovy lahasa ,Tandremo :Aoka ho malina
    Famakian-teny « anagnosis »//Asa 13.15 ny famakian-teny imasom-bahoaka indrindra.
    Fananarana « paraklesis » fampaherezana ,famporisihana, fananarana //Fanahy Masina
    34-Ampiasao ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra anao.Aza adinoina fa ny angovo miafina ao amin’ny vatan’aratra dia toy ny tsy misy raha tsy ampiasaina : Fantaro eo anatrehan’Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavana nomeNy anao.(14)
    Aza tsy mitandrina « amelei » Aza odiana tsy fantatra. Aza adinoina,Omeo lanja,Aza tsy miraharaha.
    35-Ny zotom-ponao sy ny faharetantsika dia haneho ny fandrosoantsika eo anatrehan’ny olona :
    Efa tsapanao ve ny fandrosoanao ara-panahy amin’ny fanarahanao ny fotoana toy izao sy ny fanompoana samihafa (15)
    Hiseho « Fanera » :Vakina fotsiny //Voavaky eo amin’ny fiainanao ve fa mandroso ianao.
    36-Ny fitandreman-tena hiaina mifanaraka amin’izay hampianarina :Manao ahoana ny fitandremanao ny tenanao mba tsy ho mpitari-bato vilam-bava tandremo mba tsy hahatona ny olona haneso ka hiteny momba anao hoe« Aza izay ataoko no atao fa izay lazaiko tanteraho ».Tsy ho famonjena ny hafa ihany no anton’ny fampianaranao fa ho famonjena anao indrindra koa.(Tsarovy fa tsy mpiantso mpandeha fotsiny ianao fa isan’ny mpandeha koa (Tsy mpanera taxi-brousse)
    Tandremo « Epecho »//Fil 3.13.Diniho akaiky ,ezaho sy asio tanjona ny fampianaranao.