Misaotra anao 'zahay, Ry Tompo tianay, Fa mbola nomenao tombon'andro iray Hahay midera anao. Ny zavatra ataonay, Ankinina aminao, Fa lehibe tokoa ny fitiavanao Ny mpanomponao. Hery lehibe tokoa ho anay Ny mivavaka aminao; Koa ampio ny olonao, 'Zay mangataka aminao Ny fahasoavanao.
Misaotra anao 'zahay,
Ry Tompo tianay,
Fa mbola nomenao tombon'andro iray
Hahay midera anao.
Ny zavatra ataonay,
Ankinina aminao,
Fa lehibe tokoa ny fitiavanao
Ny mpanomponao.
Hery lehibe tokoa ho anay
Ny mivavaka aminao;
Koa ampio ny olonao,
'Zay mangataka aminao
Ny fahasoavanao.