Tsara lova ry Jesoa ô - Fihirana FFPM 515
ฝัง
- เผยแพร่เมื่อ 4 ธ.ค. 2024
- / fessebooky
1. Tsara lova, ry Jeso ô!
Ny mpanota voavotrao,
Fa fonenana soa
Amboarinao ao,
Hanefanao ny teninao:
Fiv : Ho amin’ io tany io tokoa
No izoran’ ny dianay;
Jeso Tompo no ao, sady efa manao
Trano soa hipetrahanay.
2. Tsara lalana, Jeso ô!
Ny vahiny tarihinao;
Raha misy manjo.
Tsy mba kivy ny fo
Fa tohanan’ ny herinao:
Ho amin’ io,
sns…
3. Tsara vatsy, ry Jeso ô!
Ny mpandeha fahananao,
Fa ny teninao soa
Mofon’ aina tokoa
Iveloman’ ny olonao:
Ho amin’ io,
sns…
Tsara loatra ilay hira.voninahitra hoan Andriamanitra irery .amen
Tsara raha mba hita ilay olona mihira , mankasitraka é! Ny voninahitra ho an'Andriamanitra irery iany !
efa io ary ny sariko nge e, io amin profil ko io, mankasitraka nihaino
Tsara loatra ilay hira.voninahitra hoan Andriamanitra irery ihany