MONJA Roindefo- 66 Taonan'ny Antoko MONIMA
ฝัง
- เผยแพร่เมื่อ 24 พ.ย. 2024
- Monima nandova ny Fikambanana miafina JINY.
Ny Jiny dia niforona tao Manakara tamin’ ny taona 1943. Avy any ambanivohitra sy mpikambana taloha tao amin’ ny V.V.S. no mpitarika azy. Anisan' ny fikambanana miafina nisongadina niaraka tamin' ny Vy Vato Sakelika (VVS.) sy ny Parti National Malgache (PANAMA.) ny Jiny. Io fikambanana io sy ny PANAMA no tena mpanentana ny tolom-bahoaka malagasy tamin' ny taona 1947.
Ny Jiny sy ny PANAMA no niandraikitra ny vahoaka nasiônalista izay nitaky fahaleovantena tanteraka sy eo no ho eo. Nanao fampielezan-kevitra tamin' ny taona 1945 hanohanana ny firotsahan-kofidin' i Joseph Raseta sy i Joseph Ravoahangy ho ao amin' ny Antenimieram-panorenana voalohany.