Inty ny foko : Mahaleo

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 23 ม.ค. 2025

ความคิดเห็น • 4

  • @MyF-l3w
    @MyF-l3w ปีที่แล้ว

    Izany ny tena vazo, ary tsy tontan'ny ela! Mankasitraka eh

  • @vonializay
    @vonializay 3 ปีที่แล้ว

    Tsy ho alahelo no entinao mielo
    Amin’ny oram-batravatra e
    Na ho tanam-polo no entinao mijoro
    Amin'ny oram-batravatra e
    Ity ny foko mamoha varavaravana
    Ao anatiny ao, tsara hialokalofana
    Tsy ho hetaheta no entinao misetra
    Ny hainandro be migaingaina e
    Na ho tany mahamay no ho diavinao indray
    Amin’ny hainandro be migaingaina e
    Ity ny foko, mitondra alokaloka
    Ao anatiny ao mamelombelon’aina
    Mahery dia mahery ny onjan’ny fiainana
    Be ny olona no very tsy mahita hitarainana
    Na izany aza no manjo
    Dia mbola manana ny toerany ny fo (Ny fo x3).
    Tsy ho hakiviana no entina hamakiana
    Ny alim-be maizi-kitroka e
    Na ho fahatahorana no entina hisalorana
    Amin’ny alim-be maizin-kitroka e
    Ity ny foko, mitsilo ny lalana
    Ao anaty ao, misy jiro manazava
    Tsy mba ho taraina no entinao miaina
    Ny rivo-mahery mifofofofo e
    Na ho fandosirana no entina hidovirana
    Ny rivo-mahery mifofofofo e
    Ity ny foko, manolotra tanana
    Ao anatiny ao, misy azo hamaharana
    Mahery dia mahery ny onjan’ny fiainana (2)
    Be ny olona no very tsy mahita hitarainana
    Na izany aza no manjo hummmm
    Dia mbola manana ny toerany ny fo (Ny fo x3).
    Ity ny foko, mivoa midanadana
    Ao anatiny ao, Mandry fahalemana
    Ity ny foko, mivoa midanadana
    Mandrosoa ianao, ka mandraisa toerana

  • @manatsoamanatsoa7875
    @manatsoamanatsoa7875 5 ปีที่แล้ว +2

    Il était une fois mahaleo MILAY ry zalahy ah n'y vazo mijanona foana ho n'y taranaka àmampara aty aorina

  • @lantoratsida9533
    @lantoratsida9533 5 ปีที่แล้ว +1

    Miaky aho Dama a