Toy ny taratr’hazavana ’Zato endrikao misariaka Ny fitsikinao mijery Toy ny masoandro mibaliaka Nampitsiry vetsom-po Tsy mba ho haiko ho tantaraina Manafana ny ao anatiko Manodikodina ny loha Maha lasalasa saina Ka manjary nofinofiko. Tsy mety ho afaka ao an-tsaiko ao Lasa nofy.vita sary. Tsy mba ho adinoko.ho lalaiko. ’Lay masonao mibaribary. ’Reo molotrao raha mitsiky Masoandro vao maraina Manazava ny tontoloko Voninkazo tsara loko Voleko an-jaridaina Mba ho haingon’ny tanànako. Miboiboika tsy tàna Loharano tsy hay fefena Mandresy lahatra avy hatrany Tsy mba haiko noresena Ny fitsirin’ny fitiavako Ianao ve mahalàla. Fa ny foko anie. Efa babo tsy ankisala. Efa babo tsy ankizara. Efa babo tsy ankisala. Ny mba tsy aritry ny saiko Dia ny ho eo anilanao Raha vao nanomboka ny andro Nahafantarako anao Tiako ho lazaina Ho bitsihina aminao Ny ao anatiko mangina Tsy foiko raha ho Zaraina Fa ho antsika sy ianao Satria ianao no mba namako. Na ny oram-pahavaratra. Na merik’andro ’ty ririnina Raha toa ka ho eo anilanao aho. Dia ho foana tsy hisy ho inona Fa lohataona lalandava Diavolana mazava. Fa ny amin-tsika anie. Dia ho iray tsy ho rava. Dia ho iray tsy ho rava. Dia ho iray tsy ho rava.
Milay foana e🔥 fa mangotraka koa ilay bandy ray a🔥
Mbola zaza aho ity nivoaka 🥰🥰😍😍💖
Matsiro lotra
Toy ny taratr’hazavana
’Zato endrikao misariaka
Ny fitsikinao mijery
Toy ny masoandro mibaliaka
Nampitsiry vetsom-po
Tsy mba ho haiko ho tantaraina
Manafana ny ao anatiko
Manodikodina ny loha
Maha lasalasa saina
Ka manjary nofinofiko.
Tsy mety ho afaka ao an-tsaiko ao
Lasa nofy.vita sary.
Tsy mba ho adinoko.ho lalaiko.
’Lay masonao mibaribary.
’Reo molotrao raha mitsiky
Masoandro vao maraina
Manazava ny tontoloko
Voninkazo tsara loko
Voleko an-jaridaina
Mba ho haingon’ny tanànako.
Miboiboika tsy tàna
Loharano tsy hay fefena
Mandresy lahatra avy hatrany
Tsy mba haiko noresena
Ny fitsirin’ny fitiavako
Ianao ve mahalàla.
Fa ny foko anie.
Efa babo tsy ankisala.
Efa babo tsy ankizara.
Efa babo tsy ankisala.
Ny mba tsy aritry ny saiko
Dia ny ho eo anilanao
Raha vao nanomboka ny andro
Nahafantarako anao
Tiako ho lazaina
Ho bitsihina aminao
Ny ao anatiko mangina
Tsy foiko raha ho Zaraina
Fa ho antsika sy ianao
Satria ianao no mba namako.
Na ny oram-pahavaratra.
Na merik’andro ’ty ririnina
Raha toa ka ho eo anilanao aho.
Dia ho foana tsy hisy ho inona
Fa lohataona lalandava
Diavolana mazava.
Fa ny amin-tsika anie.
Dia ho iray tsy ho rava.
Dia ho iray tsy ho rava.
Dia ho iray tsy ho rava.
iza zfd io nandimby vocal an Ricky io ? Zananilahy v (mitovy feo tanteraka)
Thierry Raharisoa io th-cam.com/users/Tiwi95