𝐢 𝐌𝐎𝐃𝐘 - 𝐁𝐀𝐈𝐍𝐄 & 𝐑𝐀-𝐅𝐈 𝐌𝐎𝐙𝐈𝐊𝐀 (Hivazo Samoëla 2020)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 20 ต.ค. 2024
  • I MODY
    Leo ny mandainga ho anao hono izy
    Ilay mody atao hoe izao
    Leo ny mamitaka ny havany izy
    Maratra ny ao anaty fony ao
    Leo ny manoroka anao hono izy
    Ry ilay mody atao hoe : Tia
    Manantaina, mijaly
    Tomany, marary
    Nefa dia tsy maintsy afenina ery
    Isan’andininy :
    Iny mariazy iny ihany,
    No mahatonga azy mbola eo ihany
    Rehefa iny aloha ny hazo fijaliany
    Na tsara, na ratsy iny
    Iny ihany ilay fahiny
    Iny alitara iny ihany
    No mahatonga azy miafy eo ihany
    Ny dikan’ilay hoe ho doria
    Tsy maintsy miaritra ery
    Rehefa misy mania
    Leo mitaraina aminao hono izy
    Ry ilay mody atao hoe : Niova fo
    Leo ny fosan’ireo namany izy
    Sady menatra, no marary an-doha
    Miandrandra mafy an’izany hono izy
    Hoe iny ianao mba hiova tokoa
    Fa ho ataony avokoa izay sitraponao
    Raha izay no tianao
    Tonony sy feony : Samoëla RASOLOFONIAINA

ความคิดเห็น • 1