Ataovy manakoako ny hoby_Hira Katolika Malagasy

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 21 ต.ค. 2024
  • Welcome to our TH-cam channel dedicated to Malagasy Catholic music! We are delighted to share with you an inspiring collection of religious songs from Madagascar. Our channel is here to offer you a connection to your spiritual heritage.
    Bienvenue sur notre chaîne TH-cam dédiée à la musique Catholique Malagasy ! Nous sommes ravis de partager avec vous une collection inspirante de chansons religieuses en provenance de Madagascar. Notre chaîne est là pour vous offrir un lien avec votre héritage spirituel.
    #HiraKatolikaMalagasy #HiraKatolikaMalagasy #hirakatolikamalagasy
    Ataovy manakoako ny hoby
    Derao Andriamanitra, ry tany tontolo
    Ihirao voninahitry ny anarany
    Tolory fanompoana, fiderana azy ny Tompo (indroa)
    Lazao izy mihira hoe :
    Lehibe, mahatahotra ny asa vitanao,
    Andriamanitra!
    Lazao izy mihira hoe :
    Reo fahavalonao miaiky
    Ny herinao miezinezina!
    Lazao izy hihira hoe:
    Ny tany tontolo miankohoka anoloanao!
    Lazao izy mihira hoe:
    Mihira ho anao izao tontolo izao!
    Mihira miantsa ny anaranao (indroa)
    1 - Avia ianareo mba higaga ny asan’ny Tompo,
    Mampihoron-koditra ny olombelona ny vitany!
    Izy nanova ny ranomasina ho tany maina,
    Afa-niampita ny onibe ‘reto tongotray!
    Teo izahay no nanao lanonana ho azy. (indroa)
    2 - Mahery izy moa, tsisy fetra ny fahamboniany,
    Hanara-maso ny firenena rehetra.
    Ka aoka tsy hidingin-drambo ireo mpikomy,
    Ankalazao ny Tompo, ô ry vahoaka!
    Aoka hanakoako ny antsa ho Azy (indroa)
    3 - 'Lay Andriamanitra mpamelona aina anay,
    Tsy mba mamela ny tongotray ho solafaka,
    Fa nosedrainao izahay toy ny volafotsy, ry Tompo ô
    Tianao ho nandalo fitsapana ny dianay
    Torotoro ary valalanina izahay e. (indroa)
    4 - Navelanao ny ratsy hamoritra any e,
    Ho toy ny biby folahina hoenti-manompo
    Ampandalovina anaty afo ny lalanay e,
    Ao ny rano mangeniheny no nidiranay!
    Fa navoakanao izahay norosoanao sakafo (indroa)
    5 - Mahatalanjona, ry Andriamanitra, ny lahatrao
    Ny famonjena ny olona no sitrakao
    Ny zanakao no nisolo voina mba ho zanak’ondry
    Ary ny Rany sy ny Fanahy no mpamelona aina!
    Ankalazaina ny asanao, ô ry Ray (indroa)

ความคิดเห็น •