𝐒𝐀𝐌𝐎𝐄𝐋𝐀 - 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀 𝐙𝐈𝐒𝐈𝐓𝐎𝐀𝐑𝐀 (Official Clip Video - Album "Bandy Akama" / Be Mozik! & Do Sol - 2004)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 19 ก.ย. 2024
  • Fa fitiavako anao niny eh!
    Zisitoara hoy aho zisitoara
    Na mafaitra sy mangidy
    Tsara fatotra tsara hidy
    Fa efa zakanao any!
    Lasanao zao ny be dia be
    Ny fitiavako rehetra
    Ny entana sy ny etsetra
    Tamin’ny andro voalohany nahalalako anao
    Tsy nampoiziko ho toy ‘zao
    Hoe: Mba matotra tsara
    Fa tsy resaka eny amparafara
    Tamin’ny andro voalohany nahalalako an-dry
    Tsy nampoiziko ho tahaka ‘ty
    Ianao ‘lay nikôzy hoe: “J’ai envie”
    Kay! Mba nisy fitia
    Fa taloha zaho ni-"roule"
    Ni-"tourne" sahala amin’ny "boule"
    Fa sezao aho manaja anao
    Satria efa tsapako ‘zao
    Kanefa na iha na zovy
    No hikôzy aminao hoe:
    Nahakobo ahy tary sy tatsy
    Aza mino an’izany
    Fa ny anao misongadina hatrany
    Fitiavako anao niny eh! Zisitoara !
    Fo sy fanahinao taratara
    Ny entana eny aminao tsaratsara
    Maty aminao zaho!
    Fomba fitsikinao Manakara
    Fomba fijerinao Mandritsara
    Fomba fitafinao Vohitsara
    Maty aminao zaho!
    Fomba fandihinao Toliara
    Vazo firevinao Saidomara
    Tany fiavianao Gasikara
    Maty aminao zaho!
    Fanamasinana azy ny alitara
    Fa firevena azy farafara
    Ny lambam-pandriana atao maramara
    Maty aminao zaho!
    Tonony sy feony : Samoëla RASOLOFONIAINA
    Raki-peo : BANDY AKAMA ( DO SOL 2004 )

ความคิดเห็น • 3