𝟐𝟐.𝟏𝟐.𝟐𝟎𝟐𝟏: 𝐍𝐎𝐄𝐋𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 - 𝐏è𝐫𝐞 𝐃𝐚𝐯𝐢𝐝𝐚 𝐒𝐀𝐋𝐎𝐌𝐎𝐍, 𝐀𝐨𝐦𝐨𝐧𝐢𝐞 𝐅𝐨𝐧𝐣𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐓ô𝐥𝐚𝐠𝐧𝐚𝐫𝐨.

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 30 พ.ย. 2024
  • KRISMASIN’NY VOAFONJA ETO TOLAGNARO
    “Izay ataonareo amin’ireo madinika ireo, dia izaho no nanaovanareo an’izany”.
    Nankalaza ny Fetin’ny Noely toy ny olona rehetra ireo voafonja tao amin’ny Fonjabe eto Tôlagnaro.
    Nankalazaina nanomboka ny faha 19-20-21 Desambra 2021 ny fety ka ny Lamesa izay notarihin’i SE Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tôlagnaro no nanombohana izany ny Alahady 19 Desambra lasa teo. Noho ny maha fety ny fety dia maro ihany koa ireo malala-tanana nitondra ny tsirambin’ny tànana ho an’ireo voafonja mba hahafahan’izy ireo mifety mandritra ny andron’ny Noely.
    Mitondra teny fisaorana noho izany rehetra izany ary i Mompera DAVIDA Salomon, AOMONIE (Aumônerie Catholique des Prisons eto amin’ny Diosezin’I Tôlagnaro) tamin’ireo fihetsika maha-te hidera avy amin’ireo malala-tànana rehetra ireo. Relijiozy sy lahika ary ny ekipan’ny ACP (Aumônerie Catholique des Prisons) Tolagnaro maro no tonga nanotrona. Nofaranana tamin'ny sahoby nataon'ireo voafonja ny fotoana. Mirary fety sambatra ho an’ny voafonja rehetra eto Tôlagnaro
    -----------------------
    Naka sary: Jeffrey Ny Ako Nandrindra ny sary sy feo: Herve Rakotondralambo

ความคิดเห็น •