TENY FISAORANA

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 29 ต.ค. 2024
  • TENY FISAORANA AVY AMIN'NY FILOHA HERY RAJAONARIMAMPIANINA
    Maneho fisaorana ny malagasy rehetra ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny tamin'ny niarahana nandritra izay dimy taona nitondrany izay. Manatitra fisaorana manokana ho an'ireo izay nifidy sy nandrotsaka vato ho azy tamin'ny fifidianana lasa teo koa izy. Manaiky sy mankatoa ny didy navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana ny tenany ary miarahaba ireo izay tafita ho amin'ny fihodinana faharoa.
    Aoka ny fanajana ny lalàna, ny fanajana ny soa toavina malagasy, ny fikirizana amin'ny asa no ho atao loha laharana, ka hiaraka hientana isika hiaraka hampandroso ny tanindrazana iombonana.
    Maro ny ezaka efa natao, misy koa nefa ny lesoka, saingy nitondra izay anjara birikiny teo amin'ny fanarenana sy fampandrosoana ny firenena izy, ka izany no isaorany ny vahoaka malagasy tsy vaky volo tamin'ny fanohanana natolony azy.
    Afo tsy ho faty ao am-pon'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny fitiavan-tanindrazana, ka ho tohizany hatrany ny fanasoavana ny firenena iombonana.
    Aoka ihany koa isika hiray hina ka hametraka ny ambom-po manokana fa hibanjina kosa ny tombotsoan'ny malagasy rehetra amin'izao fifidianana ho avy izao.

ความคิดเห็น •