Haody ry Analamangako Ry Iarivoko, ry Imerina Ndreto zahay sy ny lokangako Fa samy mbola tafaverina Ny lokanga namborahiko Ny toloko sy fisaonana No mbola raisiko angatahiko Iarahabana ity fihaonana Fantatrao izay nifandaozana Sanatria tsy fifandirana Fa nitady fanavaozana No niniako nandosirana Taminao no nitarainako Ny toloko sy ny ngidiny Resy tosika ny fiainako Ka nandao anao tsy fidiny Haody, haody re hidirako Ry akany niantombohana Raisonao (3) ny tononkirako Mba ho solom-panorohana
Haody ry Analamangako
Ry Iarivoko, ry Imerina
Ndreto zahay sy ny lokangako
Fa samy mbola tafaverina
Ny lokanga namborahiko
Ny toloko sy fisaonana
No mbola raisiko angatahiko
Iarahabana ity fihaonana
Fantatrao izay nifandaozana
Sanatria tsy fifandirana
Fa nitady fanavaozana
No niniako nandosirana
Taminao no nitarainako
Ny toloko sy ny ngidiny
Resy tosika ny fiainako
Ka nandao anao tsy fidiny
Haody, haody re hidirako
Ry akany niantombohana
Raisonao (3) ny tononkirako
Mba ho solom-panorohana
Ca du être très émouvant d'entendre ça la bas❤❤❤ tsara e
Mankasitraka ôôôô 🫶🇲🇬
Merci beaucoup ça fait plaisir.
Whaou la voix de ouf
Tsara ee👏👏