ไม่สามารถเล่นวิดีโอนี้
ขออภัยในความไม่สะดวก

Apostoly TsaraTsara 1/4 - Fijoroana vavolombelona - Ny fiainany sy ny nahitany an'i Jesoa

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 11 มิ.ย. 2013
  • Ny fijoroana vavolombelona eto dia sombintsombiny ihany. Hazavaina @fomba ahazoan'ny olombelona azy satria tsy takatry ny saina ny ao an-danitra.
    www.tsaratsara.org
    Raha lazaina tsotsotra ny momba azy dia dahalo mpagalatra sy mpamono olona izy teo aloha fa ankehitriny kosa Izy dia lasa Mpitory FILAZANTSARA LEHIBE.
    Nanomboka tamin'ny 15 desambra 2010 no efa nahenoina an'i Apostoly TSARATSARA mandeha an-tongotra mitety ny ankamaroan'ny faritra rehetra eran'i Madagasikara. Efa voatety ny faritany enina. Efa ho 7000km izao no vitany hatr@ Martsa 2013.
    Nirahin'i JEHOVAH sy Jesosy Kristy i TSARATSARA rehefa avy nentiny nijery ny fanjakan'ny Lanitra. Anisan'ny iraka goavana lehibe indrindra dia ny hamonjena maika ny fanahin'ny olombelona maneran-tany ka manomboka amin'ny zanaky ny malagasy izany. Amin'ny alalan'ny fitoriana ny filazan-tsara ohatra izany, fa amin'ny fampahafantarana ihany koa ireo antony mety mahavery any amin'ny helo sy ny izay fomba ahazoana ny fiainana mandrakizay.
    Anisan'ny iraka nampanaovina azy ihany koa ny :
    mampibebaka ny mpitondra sy mampandray azy ireo an'i Jesosy Kristy
    mampibebaka ny malagasy sy mampandray azy ireo an'i Jesosy Kristy
    mampihavana ireo mpitondra sy mpanao pôlitika
    mampihavana ireo fiangonana zokiny amin'ny fiangonana zandriny
    mampijanona ny pôli-fikafika sy ny propa-vandy
    mampijanona ny "bizinesy" diso tafohoatra sy ny aferafera
    mampandre ny dahalo ambonin'ny latabatra ny loza miandry azy ireo
    ny hitondra ny fahazavana eran'izao tontolo izao
    sns.
    Raha tsorina izany ny hafatra dia ny hoe : mibebàha, ialao ny ratsy fanao ary ekeo ho tompo sy Mpamonjy i Jesoa Kristy
    Maro ny olona nibebaka noho ny fitoriany filazantsara, indrindra fa ireo dahalo, maro koa nanary ny ody ratsiny, indrindra fa ireo any ambanivohitra any izay tena mbola mazina sy tsy mahalala an'i Jesoa Kristy.
    Santionany fotsiny t@ voa azony: Efa maherin'ny 5000 ny isan'ny olona natao batisa.
    Raha ny santionan'ny asan'i Jesoa hita niaraka taminy dia: May ny doany (Andriamisara) tao Mahajanga sy tao @renirano Sambirano koa: Nisy afo avy any an-danitra tonga dia nandoro ireo toerana fanompoana. mitovy t@ andron'i Elia mpaminany.
    Azo hanina koa ny trondro ao @ dobon'i Madirovalo. Sitrana ny aretina, miala ny devoly, ny malahelo itoriana filazan-tsara, sns.
    =======
    Ity fijoroana vavolombelona ity dia nalaina t@ilay DVD izay nentin'izy ireo.

ความคิดเห็น • 13

  • @odilerazafindradaro6196
    @odilerazafindradaro6196 9 ปีที่แล้ว +4

    mboka amin'ny Anaran'ny Jesosy no ahazoako miarahaba an'ny Dada Tsara tsara S'y n'y mpiaradia aminy matiantoka ireo olona maniratsira n'y asa ataonao Dada Tsara tsara Satria efa voasoratra ho azy ireo n'y Afo be ka avelao eo hijinja n'y nafafiny dia mbola misaotra an'by Pasteur Tina Andriamanjato koa Enga anie ianao koa ho tongavan' Jesosy amin'zay roa nareo (tsara tsara S'y Tina) Jesosy homba anareo amin'y anaran' Jesosy avy Nazareth Amen

  • @marieandry7887
    @marieandry7887 3 ปีที่แล้ว

    JESOSY KRISTY TSARA TSARA EEE AO NY FEON'NY FAMONJENA MIRESAKA IZY AMIN'I ZAO AGIT ZAO

  • @marcellinrabemananjara3737
    @marcellinrabemananjara3737 3 ปีที่แล้ว

    Marina daholo izany rehetra izany, ary efa ampy isainana ho anay mpanota izany ,ho tahin'Andriamanitra anie ianao Tsaratsara ary hoento ambavavaka izahay mianaka, Deraina Jesoa kristy

  • @rasoanirinafrancla1881
    @rasoanirinafrancla1881 6 ปีที่แล้ว

    Lainga ve sa tsia
    Hoe nisy voromailala nidina taminy ???

  • @lilianepanea8796
    @lilianepanea8796 9 ปีที่แล้ว +3

    Tsy mitory ny filazantsara io lehilahy io fa mitory ny tenany, efa nahita olona nilaza fa nahita an'i Jesosy aho fa ny olona nahita an'i Jehovah mbola vao izay aho vao nahita olona nahasahy niteny an'izany. Mba olona iza loatra re no hino an'izany e?

    • @iantra123
      @iantra123  9 ปีที่แล้ว +4

      Aza maika ny mitsara aloha. Nahita ny RAY izy tao anaty fitaratra matevina Be, ohatra ny nahitan'i Jaona azy koa (Apokalipsy 4). Avereno zahana indray ilay fijoroana vavolombelona, dia vérifieo tsara ahoana ny fomba nahitany azy. io fijoroana vaolombelona io aza mbola efa nafohizina. Fa natao mba ho azon'ny olona @maha-olombelona fa marina ary misy Jesoa Kristy.

  • @budelu2461
    @budelu2461 9 ปีที่แล้ว

    ka izy mahafantatra ny secret an dahalo, manin raha izy no asaina mamoaka ny secret rehetra oe avy aiza ny basy, iza no lehibeny ary inona no fadiny.....

    • @iantra123
      @iantra123  9 ปีที่แล้ว +1

      +Bude Lu >> Efa notantarainy anay tokoa io. Hainy hatramin'ny ny lalan'ny omby sy basy, kolikoly miainga avy any amin'ny farany ambany ka hatrany amin'ny farany ambony indrindra. Fa mbola ho avy ny fotoana hitenenany an'izany, fa amin'ny fomban'i Jesoa Kristy.

    • @samiralianah2000
      @samiralianah2000 7 ปีที่แล้ว

      Bude Lu

  • @iantra123
    @iantra123  10 ปีที่แล้ว

    Romyeah Fabrex > Voninahitra ho an'Andriamanitra Ray Zanaka ary Fanahy Masina. Tano mafy ary ny finoana. Mahereza indrindra.

    • @yournikahm7741
      @yournikahm7741 9 ปีที่แล้ว

      Voninahitr ho an Andriamanitr irer ihn ,Amen