Misafotofoto | Zah'MTF Mpamafy Teny Fiainana | Tononkira

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 11 มิ.ย. 2023
  • Misafotofoto (zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana))
    Misafotofoto mafy loatra jesosy ô !
    ‘Zany onjam-pianana entiko
    Te hanimba ahy e!
    Te handredrika ahy
    Tsy misy fitsaharana izy ity isan'andro
    Tsy haiko ho tanterina fa tena tsy zaka e!
    Ô Jesosy mila anao anie aho e !
    Hampitsahatra azy
    Manenjika ahy toa handredrika ahy
    Ny ahavon'ny onja entiny
    Ny rivotra mahery toa tsy tohatro
    Sakanonao re
    REF : Ô ampangino Jesosy o!
    Ô hatsaharo e!
    Ô hatsaharo teneno mafy izy io
    Tsy handredrika ahy
    Fa mahery loatra ka tsy voatohatro
    Miady irery aho, miady irery aho
    Koa mila izany sandrinao aho
    Hanohana ahy Jesosy malala o!
    'Lay sambokeliko efa ho mila ho vaky
    Voavelin'ny onja, mahery mahafaty
    Tafiditriny rano e!
    Idiran'angano
    Tsy misy mahita aho, tsy misy mijery
    Faingana hamonjy ahy
    F'izao miady irery
    Ô Jesosy mila anao anie aho hampitsahatra azy
    Tolory tanana aho fa miandry anao
    Ny teninao Tompo ô no andrasako
    Hoe : mangina, mitsahara e!
    Dia vita ny adiko
  • เพลง

ความคิดเห็น • 2