(Karaoké) INDRETO IZAHAY - IraKo

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 3 ก.ค. 2022
  • Titre: INDRETO IZAHAY
    Artiste: IraKo
    A/C: Mamy Sarobidy
    Arr: Ny Antsa (Nyan)
    Son: Rado
    ‘Ndreto izahay Tompo O, vonona hidera Anao
    Tanora nefa kosa Ray, mba te hanompo Anao
    Fa vonona izahay hanambara Anao,
    Sy hitory ihany koa ny asanao
    Mpahary Ianao, Mpamonjy anay koa
    Izay teninao inoanay tokoa
    Indreto izahay, hihira ho Anao, hifaly ao Aminao sy hankalaza Anao
    Hidera Anao ‘zahay O ry Ray
    Hanandratra avo ny anaranao izahay
    ka ho ren’izao tontolo izao fa tsara, tsara Ianao
    Ny feonay asandratray dia ho voninahitrao
    Izaho ilay nivezivezy, nikaroka izay tena soa
    Ankehitriny resy lahatra aho, ny ao Aminao tsara tokoa
    Ka inty aho, iraho aho Tompo O
    Vonona aho hitory Anao, ny herinao no tanjako
    Ny hatanoranay atolotray ho Anao, hiezaka izahay hanao ny asanao
    Sambatra izahay manana Anao anilanay,
    Ray O, ankafizinay ! ‘ndreto izahay Tompo O ho Anao
    Hidera Anao izahay O ry Ray
    Hanandratra avo ny anaranao izahay
    (Oh oh oh oh oh oh…)
    ka ho ren’izao tontolo izao fa tsara, tsara Ianao
    (Oh oh oh oh oh oh…)
    Ny feonay asandratray dia ho voninahitrao
    Oh hidera Anao izahay O ry Ray
    Ny feonay asandratray dia ho voninahitrao
    AMEN !

ความคิดเห็น •